Nenina (Cat)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony izy mbola teo anilanao
Moa ve mba notiavinao sy norarahinao???
Hanenenanao ny tsy fitiavanao
Fa izao izy efa namadika pejy vaovao

Sambatra izy ankehitriny
Nefa ianao toa feno fijaliana
Izy teo akaikinao tsy hahitana hafaliana fahiny
Pejy vaovao no iainany sady fifaliana

Alahelo firy taona izy nitomany
Mba niangavy ny fiovanao
Fa saingy indrisy manko raha mba nohainohinao
Ka mbola niondrika nitoloko sesilany

Ankehitriny navadiny ny pejy taloha
Nosoloiny vaovao fa ianao toa lasa vatana saina lò
Miadana izy fa ianao toa lasa vinany
Mamisavisa tantara sady manenina tsy misy fiafara

Eny ,mba marary anie lay tsy fitiavanao eee
Fa efina fotsiny mba tsy ho ren izao rehetra izao
Fa avelao izy hiada pinaritra amin zay
Ataovy an tsainao fa tsy ho azonao intsony ny fony mandrakizay!!!

Tsy pisipa ihany izy ity fa na dia zoky sy zandry ihany koa aza!!
--------
Rohy:
787 1
Mpakafy: katrynah
Hevitra mandeha
katrynah ( 05/04/2020 21:25)
Mino aho fa io ny tononkaloko ratsy indrindra eee mba mila ny hevitrao aho!!! Misaotra tompoko!
cedarf ( 06/04/2020 04:35)
amiko ny atao hoe tononkalo dia tsy fanehoana alahelo fotsiny ihany raha sendra olana fa mitaky ny atao hoe kanto ary ny fietseampo dia azo tantaraina aminy endrika kanto rehzfa miaraka amin'ilay aingampanahy.sosokevitra ihany ny ahy ratsy zay manko dia mitovy amin'ny soratra tsotra mitantara fiainana ihany ny tononkalo iray
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Cat
Nampiditra : katrynah
Daty : 01/04/2020 17:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014