Ny Kanto Malagasy (Cat)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ny kolontsain-tsika
Toa variana amin ny facebook sy ny zavatry ny vahiny
Ka toa lasa hambaniana lay fihavanan tsika
Dia very raha malagasy sy ny kilalao fahiny

Ekena fa andrianiko ny teniko ny an ny hafa koa feheziko
Fa toa miteny frantsay sy anglisy ny rehetra
Ny sakaizako, ny namako
Ka taraiky izay tsy manaraka fa mihetrahetra

Aiza zao ilay fanorina, katro taloha
Variana amin ny zavatra tsy mampiasa saina akory
Dia lasa midina ny fari pahaizana tsy ohatran ny taloha
Hany ka tsy mahay mampiasa saina intsony fa matory

Ny mozika kanto fahiny
Ireo nampihaiky ny mpivahiny
Tsy hita, nanjavona ,nosoloina mozikam bazaha
Dia very ireo kanto gasy fa tsy mizaha

Malaza nihavana ny gasy tamin izany
Taloha tokoa izany fa tsy ankehitriny
Ka lasa fialonana ,fanavakavahana
No manjaka eo amin ny olona, eo amin ny fiaraha monina

Fotoanany izao mbola tsy tara
Hamerenana ny lanjan ny kolontsaina hatao tsaratsara
Satria nenina tsy aloha fa ao afara
Ka Fo mitempo iray no atolotra ho an i GASIKARA
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina - fananarana
753 1
Mpakafy: katrynah
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Cat
Nampiditra : katrynah
Daty : 24/01/2020 19:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153