You are here: home > Vetso

Ry Tanora ... - Cat

Azo vakiana?

« Ne te suicide pas, s’il te plaît. JE  suis mort pour toi "
                                                          PAPE FRANÇOIS

Eee ry tanora namana
Raha sanatria ianao very hevitra
Te hahita izay hahasoa
Nefa kely ny eo am pelatanana
Dia tadidio fa finoanao Azy no hahitanao voka tsoa

Ry tanora zoky
Raha sanatria narian ny olon tiana
De aza mamoy fo
Fa antanjao ny saina ampionony ny fo
Fa tsy anjara matoa lasa
Dia aza malahelo sy ketraka tokoa

Ry tanora zandry
Aza kivy raha misedra olana sahady
Fa misy antony ny zava drehetra
Mahaiza misafidy tsara ny lalan kaleha
Dia mandehana am pamarinana zay no tena ilaina
Satria izay nafafy ihany no hojinjaina

Eny ary ry tanora rehetra
Diniho hatrany vao manapa kevitra
Fa sao dia anenenana  eee
Tsarovy fa ny hatanorana tsy miverin droa
Mahaiza misafidy ny lalan kombana
Dia apetraho eo am pelatanan izy Tompo ny hatanorana sy ny fikasana
Satria "Rehefa Andriamanitra no mitantana, tsy misy  mahasakana!!!

Sokajy : fananarana, fiainana