Tanora - Cat
Azo vakiana?
Hatanorana feno tsiky lalandava
Na mafy na mora de zakaina
Hatanorana feno hafaliana lava
Na dia misy alahelo foana rehefa miaina
Tanora ianao, aza avela hanjaka
Aminao ny haizina sy haratsiana
Fa miadý amin ny ady tsara dia mitrakà
Mba ho tena fitaratra eto amin izao fiainana
Hararaoty ny fahatanorana
Hanaovanao ny soa
Fa tsy hifoka zava mahadomelina dia mihanahana
Ka tsy hitera boka-tsoa
Tsy ratsy akory ny fanarahana ny zava baovao
Fa mba asivo fiheverana ny tenanao
Hoe mendrika anao ve ?
Mba manàna maha izy azy anao re!!
Aza adino ihany koa ny fametrahana
Izany hatanorana izany eo anatrehan ny Ray
Fa Izy mahalala ny mahasoa ny tsirairay
Ka mahay mandahatra itony fiainana!!
Mombamomba
Mpanoratra : Cat

Nampiditra : katrynah
Daty : 01/02/2020
Mpamangy : 459
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Izany ve? ...Le Regret
Nenina
Firenena Mandroso
Vavaka
Mon beau pays
Ry Tanora ...
Ny fanantenana
Ny Kanto Malagasy
Ny Marary