You are here: home > Vetso

Hitsiky tsy hitomany - Cathia

Azo vakiana?

Raha mandalo sedra mafy
Aza kivy fa mbola ho avy lay fitsaharana
Ny tomany ovay tsiky
Mbola eo lay tena namana

Ny tsiky manambara fahazavana ho an ny hafa
Ny fahazavana manome hafaliana ho an izay mandray azy
Hitsiky tsy hitomany tsy mihafahafa
Satria voajanahary avy amn Azy

Hajanony ny halahelo ny tomany
Ny hakiviana sesilany eto an tany
Aza dia mitaintaina amin ny  zavatra mandalo ihany
Saino izany fa 'zay ny maha tanora anay hatrany


Hametraka hevitra

Midira aloha