You are here: home > Vetso

Impiry ?? - Cat

Azo vakiana?

Impiry ianao no mangataka?
Rehefa misy zavatra manjo
Nefa adino dia mihatahaka
Rehefa faly sy ravoravo tokoa

Impiry ianao no misaotra an ilay Nahary?
Fa mbola namindrany fo
Ka mahita indray lay masoandro be nanahary
Dia mbola velon aina tokoa

Impiry ianao no midera Azy?
Rehefa omeny andro
Sa dia hoe amin ny manaraka ny Azy
Fa izay ataoko aloha ny andavan  andro

Impiry ianao no mifona?
Rehefa nanota ka mila hirona
Sa oe mpanota tsy maintsy manota
Na koa hoe tsy maintsy hiala amin ny  ota

Impiry??

Sokajy : fiainana