Taona vaovao - Cat
Azo vakiana?
Hifarana indray ny taona
Ny fanantenana tsy ho foana
Fa na tao ny tsara mba natao
Hinoako mbola hotoizana atao tsara kalitao
Fa na tao ratsy natao teto
Dia hinoako fa ho tapitra hatreto
Olom baovao ianao izao
Handeha amin ' ity taona vaovao
Satria efa nanao fanamby
Fa tsy velirano sanatria hanambitamby
Fo,saina, vaovao aloha
Fa tsy fanahy na vatana lò
Fa ankehitriny dina no apetraka
Fa ho taona tsara no ipetraka
Koa arahabaina sahady handeha ny volana janoary
Ka ho salama daholo fa tsisy hararirary
Mirary soa ho antsika ary!!!
Eny ary!!!!!
Sokajy :
taona vaovao
Mombamomba
Mpanoratra : Cat

Nampiditra : katrynah
Daty : 30/12/2019
Mpamangy : 389
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Izany ve? ...Le Regret
Nenina
Firenena Mandroso
Vavaka
Mon beau pays
Ry Tanora ...
Ny fanantenana
Tanora
Ny Kanto Malagasy