You are here: home > Vetso

Tantely amam- bahoana ny fiainana - Cat

Azo vakiana?

Nahoana enao no mitandronika ?
Sa tsy zakanao intsony ve ny onjam piainana
Ny alahelo ny hakivina namparendrika
De mbola tsy hitraka ve fa resin ny  fitarainana

Tadidio ngeh fa mandalo ihany izao ee
Fa indray androany tsy maintsy tapitra izao tontolo izao
Koa mahereza hatrany fa mbola lavitra ny dia
Ka hahafahana manomana ny lanitra dieny ety antany ety

Indraindray ao ny hafaliana
Ka miravoravo de tojo lay fifaliana
Fa ao koa anefa ny fijaliana
Ka tsy maintsy mandalo lay fahoriana

Ekena fa zay no lahatra
Satria misy tokoa ilay Mpandahatra
Ary Izy mahalala ny soa sy tsara ho anao
Dia Izy lay Tompo Andriamanitra Mpanjakanao

Raha tojo fifaliana
De misaora fa mbola tsisy fijaliana
Fa raha sanatria misy fahoriana  androany
Dia tsarovy fa misy heviny  avokoa izany rehetra izany

Sokajy : fiainana