You are here: home > Vetso

Tena Namana - Cat

Azo vakiana?

Ny tena namana ,ilay olona tsy mba manary
Na halahelo na hafaliana
Tsy mba mialona ny sasany amin ny zava boajanahary
Fa mizara fanantenana sy fiadanana

Ny tena namana, ilay olona tsy mitarika
Amin ny zavatra ratsy mandalo eto an tany
Fa lay olona manampy hiala amin ny  fahaditrana mbola hitraka
Amin ny adim piainana sy hakiviana sesilany

Ny tena namana, ilay olona manentana hivavaka
Tsy hitsahatra ny hananatra fa manantena ny fiovanao
Na dia hosehinao na dia haratsinao
Tsy mba kivy fa mananatra anao tsy hakijanona ny mba hivavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha