You are here: home > Vetso

mitandrema - cedric tolojanahary

Azo vakiana?

Tandremo lahy,ny manompo.
Ny andriamanin-kafa.
Fa mamitaka izy ireny.
Ny tena tsara indrindra.
Ny manompo ny avo indrindra.
Andriamanitra mahery.
Dia 'lay tsitoha,Hatr'izay hatr'izay.
Ilay hatao hoe haba Ray.

Mitandrema,miambena.
Tano mafy ny finoana.
Ataovy am-ponao foana hatrany.
Ilay tsitoha mpanajary.

Mitandrema ianao ry zandry.
Fa 'lay ratsy tsy misangy.
Fa mikendry isan'ora.
sy misoko moramora.

Mitandrema,mifohaza.
'Lay mahery no torio.
Fa ny andriamanin-kafa hario.
Koa tafio ny herin'ny fanahy.
Miambena mivavaha.

Cedric tolojanahary

Hametraka hevitra

Midira aloha