You are here: home > Vetso

ny fahazazako - cedric tolojanahary

Azo vakiana?

Ny fahazazako

Mampitamberina ireo tsiahy,
Sy ireo lasa fahiny.
Tsaroako ankehitriny.

Nitomboan'ny fahalalako.
Ireo ankanin'ny fahazazako.
Ireo rehetra nandalovako.
Tsy voatanisako ankehitriny.
Tsy ho hadino velively,ireo fahakelinay fahiny.

Ny kilalaonay tamin'izany.
Marobe tsy voatanisa.
Ny rahosijamba.
Ny ankiafina.
Ny papango sy ny sisa.

Toa mahalasa vinany.
Ny mandinika izany.
Fa na dia fahazazana aza ireny.
Tsy ho hadino velively.

Fa kosa ankehitriny.
Toa tsy hain'ireo ankizy,ny kilalaonay fahiny.
Asa lahy!!nahoana loatra??
sa ve hoe...efa nivoatra.
Ka hadino ny taloha.
Ny ahy kosa tsy izany,fa raiketiko ato am-po.


Antson'ny fanahy

Sokajy : fahazazana

Hametraka hevitra

Midira aloha