ARY RAHA... IANAO ! (Dogme Razafy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ary raha ianao tokoa no hany kintana eto an-tany
Hany ngadon-tononkira hampisidina itsy lolo...
Ny aty fony dia ianao, na ny sainy ianao daholo
Kintan-keliny ho doria, eny hatrany an'efitra any.

Ary raha ny volana ary no ho endrikao miheja
Hampitety ny fanahy nofy mamy ho anao rehetra
Ka mandavan'ito taona dia diavolan-tsisy fetra,
Ao ny lohataona ianao, ny ririnina hateza...!

Ary raha ianao mihitsy no ho izao tontolo izao e!
Ny maraina dia Ianao! ny hariva dia Ianao...!
Fofon'aiko, tononkalo, eritreritro vaovao...
Tiako raha ianao irery no hany kintako... Ianao !
--------
Rohy:
279 3
Mpakafy: antsahoneywinner - dogme - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dogme Razafy
Nampiditra : dogme
Daty : 17/07/2023 08:28
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148