Manako - Dogme Razafy
Azo vakiana?
Manako manako tsy tanan-doria
Ny fanahy avelon’itsy olon-drery
Toa feno mitobaka anefa tsy very
Misangy misangy amin’ny torom-baliha !
Zovy ary zovy no tsy hahare izany
Na ny any an-driaka sy izay lavi-tiana
Tsy maintsy voadona misento mangina
Fa avelo no teraka, embona ihany… !
Toa dasidasy, milanto milanto
Kanefa mafonja, mahery fiako
Kanefa manainga, manainga tsy miato !
Ny fofony ihany no sisa tsy tiana
Fa mamangivangy ny fasa-mangina
‘lay fasa-mangina hirarahan’ny rako.
26 Aprily 2022
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : Dogme Razafy

Nampiditra : dogme
Daty : 19/01/2023
Mpamangy : 103
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Very FoRaozy
Nofiso...
Anjely
Fahavaratra
Tovovavy Malagasy