VONY (Dogme Razafy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vony a!
Mbola nanonofy anao aho,
Mbola io ilay tsikinao,
Tsisy banga ny endrikao
Hono, io ny feonao..

Eo antratrako, hono, Vony
Mamihimpihina ny foko,
Midoboka amiko ny fony
Manga lanitra ny loko...

Izany tsikiny e!...antray...
Vony keliko fahiny...
Vonikely sahisahy
'lay oroko no tena tiany!

Vony o!
Mafana be ny tananao,
Fikiriko fikirinao
Mamy be ny safonao
Mamo be ny mamonao...

Tia ahy moa i Vony o!
Izany fihezin'ny angolako
"Ankohatranao tsy misy intsony"
Hoy ny molom-pahatsorako!

Tia ahy koa, hono, Vony
Mamy ange izany fibitsiny
"Izaho irery no ao am-pony"
Hoy ny teny irerin-tsikiny!

Vony a!
Nanonofy fotsiny aho!
Nanonofy anao mangina,
Nofin'ny nilaozanao
Toy ny Alina tsy tiana.

Ndry...!
Maraina indray ity ny andro
Nefa haizina avokoa
Mikomy mafy iry masoandro
Kala Vony nanao poa!

Vony a!
Mbola nanonofy anao aho!
Injao mifoha ny lasantsika
Tena ianao 'lay nofy tao
Hafanana lasa hatsiaka!

Mbola nanonofy anao aho
Mifoha ny lasa efa navalona
Sambatra ny vadinao
Hitsakao nefa mampiaolana!

Vony o!
Aoka izay fa sempotra aho
Ny fanafody nefa lany.
Aaa! Aoka izay, veloma ianao!
Veloma Vony, veloma any!

Any Vony!
Hinoako fa salama tsara,
Mampamangy Vony kely.
Izaho mihasempotra sigara,
"'lay voadiko no maha irery!"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
47 3
Mpakafy: hery - DADAFARAtolotra - Valsxx
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dogme Razafy
Nampiditra : dogme
Daty : 06/01/2026 05:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123