NAMPIARAKA (Dogme Razafy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Folapolak’andro
Fotoana nifanaovana
Fodian’iry masoandro
Teo ampanataovana
…Nanao hoe hiaona isika!

Vikiviky mora…
Hamonjy fefiloha
Mainamaina rora
Nientanentam-po
…Nampiara-dia isika!

Morona kamory
Nitoerana avy eo
Madera sady tony
Sina tsisy feo…
…Nifanakaiky isika!

Resaka sy hehy
Narahim-pahanginana
Tsy nisy nahafehy
Fa ny hany fahamarinana
…Nifankatia isika!

Maso nifanojo
Nampiato ny fotoana
Zary lasa rojo
Namehy teo anoloana
….Dia nifangia isika!

Etsy hoy ianao bitsihiko
Nanantona mora aho
Nanala ilay fihiko,
Tampoka orokao!
…Natsiro kely isika!

Dia nody iry johary
Nandeha kay ny fotoana
Samy nanontany hoe
Rahoviana indray no hihaona?
…Nampiaraka isika!
--------
Rohy:
341 2
Mpakafy: dogme - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dogme Razafy
Nampiditra : dogme
Daty : 29/08/2023 05:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143