Raozy - Dogme Razafy
Azo vakiana?
Mizongozongoa izany foko adala
Ka aza mifidy na raozy ankiray
Mizora mizora fa ianao mahalala
Ity zaridaina tsy edena hatrizay.
Andrao saroroin'ny endrika ivelany
Na ny fofony manitra manentoento
Ka haratran'ny tsilo rakofan'ny felany,
Haingin'ny nenina hidinitra sento.
Ka aza mikasa ny hanao amim-bazy
Fa ny tany hitsiriany no kolokoloy
Na tsy hioty ry foko, miangavy
Tsara ny raozy kanefa hadinoy.
2021
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : Dogme Razafy

Nampiditra : dogme
Daty : 23/01/2023
Mpamangy : 85
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Very FoNofiso...
Manako
Anjely
Fahavaratra
Tovovavy Malagasy