Very Fo (Dogme Razafy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Very aina, very saina izato lanitra izato
Indro haolo sy mangina, osaosa tononkira
Tonom-bavaka no sisa, tonom-bavaka tsy miato
Aiza irony paradisa, nahoana no mamiravira?

Tsy rahona eo, tsy lohataona... fa tsy misy
Tsy haizina eo, tsy posak'andro... fa indrisy
Lanitr'osa, tsisy intsony, tsisy intsony, tsy mitsiky
Lanitr'osa, voninkazo, ka malazo toy ny lisy.

Toy izany koa ny foko sy ny saiko manontolo
Very sampy, nanantena, nefa indry fefik'onja
Malahelo, manirery, toa hiangaran'ny tontolo
Voron-kely tokan-dia, tapak' elatra, voafonja.

15 Oktobra 2022
--------
Rohy:
422 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dogme Razafy
Nampiditra : dogme
Daty : 27/01/2023 06:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147