RY FOKO MAHANTRA (Dogme Razafy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry foko mahantra

Mangina ry foko mahantra, mangina!
Raha toa malomaloka izany andro
Mahaiza mipetraka rehefa tsy tiana
Fa ny andro alina tsy misy atoandro.

MiononĂ  ry foko mahantra, miononĂ !
Raha sendra voaratran'ny tsilon'ny raozy
Sy fanin'ny ngidin'ilay nosotroina
Nanala hetaheta kinanjo dia daozy!

Indrisy ry foko mahantra, indrisy
Fa fompotra izao 'lay "tia" taminao
Vesa-tomany no setrin'ny tsiky
'Zay lasa vita rehetra fafao.

Veloma ry foko mahantra, veloma
Ilaozy ny tiana rehefa tsy tia
Tontolo hafa hananam-pinoana
Fa efa manda anao raha ny ety!
--------
Rohy:
399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dogme Razafy
Nampiditra : dogme
Daty : 03/02/2023 15:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014