VERY DIA (Dogme Razafy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Very dia ny volana aho, be baliaka sahisahy
Henika mozika ntaolo, mampihovitra fanahy.
A! Mibitaka ny foko...toa ny masony io angaha?
Toa sary, toa anjely, toa fitiavana miha...

Ary iretsy kintan-kely, an'arivony mivazo
Toy ny voron-kely mihira, hitsikin'ny voninkazo.
Moa tsy feno ny aty foko raha mibanjina azy ireo,
Manonofy hoe mitia ilay tovovavy aninkeo?

Adray koa izato redirediko, lasalasana vinany
Lasa lavitra ny saiko e! very dian'ny zongozongo.
Volana ihany, d'ireo kintana fa tsisy hoe vehivavy izany!

Ary raha vehivavy aza, ngaha tsy ho zazavavindrano
K'ahatofoka, hahafay, hahadala toy ny mamo.
Hody aho f'efa ampy izay, ireto masoko efa bongo.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
28 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dogme Razafy
Nampiditra : dogme
Daty : 08/01/2026 06:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0505