RY VOLANA KOSA (Dogme Razafy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanafatra ahy mafy iry volana iry,
Hafatra mila tsy ho zakan'ny saiko
Mila tsy ho zakan'ny saiko satria
Hafatra momba anao iny ry aiko!

Rahefa mahery ny taratro hoy izy
Ka tsinjonao ny alok'iry voninkazo
Dia izao no tsarovy hoe nanova fitia
Ka aloka izy iny fa tsisy hoe nalazo!

Fanilo aho hoy izy ary tena hazavana
Kanefa mandindona aloka koa
Tarafiko ety ny hatsaram-boninkazo
Tsy ho anao nefa izy iny k'honony ny fo.

Dia izao ny fibitsika nataony farany
Veloma hoy izy ary dia mahereza
F'iry voninkazo tsy ianao no ho anjarany
MiononĂ  miononĂ ! Ndehana vereza
--------
Rohy:
360 0
Hevitra mandeha
antsa tononkalo.R ( 07/02/2023 03:40)
Manortra rangah ity ralahiko ity,

Manaja e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dogme Razafy
Nampiditra : dogme
Daty : 06/02/2023 15:27
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015