Fahavaratra - Dogme Razafy
Azo vakiana?
Hamon-danitra malo-pitranga
Alokaloka sary vinany
Rahondrahona iretsy angamba
No hahatera-tomany
Dikitra angaha ny ao ambony ?
Osaosa ka be sotasota ?
Kotrokotroka izao no laroiny
Tselatselatra tselatra ota.
Haingihangy fanahy ny hariva
Tondratondraka sento mangina
Jonijonitra iva dia iva
Eritreritra hakambotiana.
Tany ihany no sisa injao
Velombelona hery miantoraka,
Mavomavo kosa ny anao
Tehatehaka refotra oraka !
22 Aprily 2022
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : Dogme Razafy

Nampiditra : dogme
Daty : 19/01/2023
Mpamangy : 51
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Very FoRaozy
Nofiso...
Manako
Anjely
Tovovavy Malagasy