Tovovavy Malagasy - Dogme Razafy
Nantsain'i
ikalamako
ikalamako
Pendo kely, mangamanga
Lava volo, olioly
Maontimaontin-tafin-damba
Saritsarina bakoly.
Maso ngara, baribaribary
Molo-kely, tsiky mamy
Menamenatra, mifaly
Manjamanja raha mitany.
Bakobako virjiny
Hakantoana hoentim-batsy
Anjona fanahy hiniany.
Nosikely milalao…
Nofikeliko izao…
Tovovavy Malagasy!
29 Aprily 2022
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : Dogme Razafy

Nampiditra : dogme
Daty : 19/01/2023
Mpamangy : 73
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Very FoRaozy
Nofiso...
Manako
Anjely
Fahavaratra