Hiantoraka Aminao (Ny Avo Elabakaka)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô! Miandrandra Anao aho na dia efa sisampahoriana
Nampahorian'ny fitiavana, nivadian'olotiana
Nomeny ny mangidy mila tsy ho lany
Fa natosiny hitrotrosina, hianjera eto an-tany.



Ray ô! Iangaviko ianao hampahery, hampitraka indray ny loha
Sitrano re ny fery, r'ilay fitiavana taloha
Ilay olona mba nitokiko mantsy dia nandositra tsy rè
Nanadino sy nandao lasa lavitra any re.



Iza moa no mba hianteherako, eto an-tany feno fitaka
Olombelona daholo mantsy ny eto, ilay nitokiko aza toa nisitaka
Koa izany no hitalahoako Aminao ry tsy miova ho doria
Fa Ianao no itako tsy hanary fa hitatana ny dia.



Hifonako eny mantsy ny hadisoana sesilany
Sy ny tsy finoana ihany koa, ry Tompo tia hatrany
Manantena ho voadio sy ho sitrana tokoa
Ho hesorinao hiala amin'ny famoizam-po.
--------
Rohy:
1368 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Elabakaka
Nampiditra : henuka
Daty : 02/09/2016 11:33
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103