You are here: home > Vetso

FOLO TAONA SERASERA - endrika01

                                

Folo taona mitsingerina
Antenaina tsisy nenina
Ny ezaka rehetra efa natao
Hikatsahana 'lay fiainam-baovao

Folo taona an-tserasera
Tranonkala Malagasy
Ka andao hanainga vera
Tsy an-kanavaka fa gasy

'Lay serasera kolontsaina
Tara-masoandro vao maraina
Tranonkala Malagasy
Haingoin'ireo bilaogy gasy

Tononkalo,tononkira,klipgasy
Bizna,antso filazana,Radiovazogasy
Takelaka.org, wikianja, Baiboly
Antsary, sarin-tava, s'ireo karazam-pialamboly

Dinika forum, filazana manjo, infogasy
Lisitra mailaka, tahiry tena gasy
Ohabolana, namana, lalao
"Zay voarindra ao amin'pejy vaovao



     (mbola hitohy)     Beyrouth 03 Octobre 2009

Hevitra mandeha

mangidy (14/10/2009 21:56:21)

Indraindray akia mety a! nefa io ny saina ihany no mitondra azy!
Na mangidy aza hono ilay fianana indraindray
Ho soloina vatomamy tsara loko sy milay

ANJARA7 (28/10/2009 16:36:15)

mankasitraka e!ireo tsyTIA sy mpitsikera tsy ahasakana antsika tsy hifanerasera,de enga anie ho tratry ny 10taona manaraka daholo o!ANJARA7

ANJARA7 (06/11/2009 16:12:16)

ireo tsy tia sy mpitsikera tsy ahasakaan antsika tsy hiserasera
mirary andry hanoratra tonokalo foana !

andry 1000 (17/04/2015 08:43:53)

misaotra e!! folo taona sahady an! mahazo medaille de bronze zany e! hihi

endrika01 (17/04/2015 08:48:39)

Malahelo anareo namako serasera rehetra aho zany!mbola tadidin'ny namana ve zah!

andry 1000 (18/04/2015 07:39:06)

efa nosoloiko serasera ilay hoe facebook an!!! de hifandom-bera zany sika rehefa tonga roapolo le serasera an!

endrika01 (27/04/2015 08:19:13)

ha ha ha,aiza mamely mafy moa é!ka na any amin'ny facebook kosa aza ngeh mbola ato ny trano fonenana é!hi hi hi!fa any mba fialam-boly! sa hoe refa tamana any ivelany dia veloma ry ankany nahitana! an an akosa é!!!

andry 1000 (27/04/2015 08:25:41)

hihii3 miarahaba anao, tsy adino ka!! fa elaela fotsiny tsy hita sy tsy tazana, mba lazao vaovao ary e!

tsiambaratelo (21/09/2018 08:50:54)

Salama jiaby ny namana rehetra e, kely sisa dia 20 taona indray ny Serasera.org. vetivety an,folo taoa sahdy indray n lasa,toy ny vao omaly

endrika01 (17/08/2020 07:03:58)

eeeeehhh,folo taona aty aoriana toa hembona no sisa!mahatsiaro anareo reh ry namako rehetra!!!!!!!

hery (21/08/2020 18:31:14)

Tokony manao tononkalo 20 taona indray ianao :-)

Tohiny