Faneva (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay takariva ho maty masoandro,
Volon-drahona mena, @mena masoandro
Mahalasa ny saina hierika indray,
Mena,faneva,io ilay loko iray.

Ilay mena ho fiandrganany,
Ny maintso ho fanantenana,
Ny fotsy ho fahadiovany,
Ny faneva iray no atsangany.

Ilay saina mikopaka, toa felatanana
Any ho any izay ireo havana,namana
Ny fitiavako ny taniko tsy mety hifarana
Madagasikara,Nosy maintso,hifaharana

Maintso,fotsy,mena
Toko telo naha-masa-nahandro
Loko telon'ilay firenena
Loko telo ho fitaratry ny andro.

Ny loko telo izay tsara indrindra
Loko telo iaraha-mamindra
Ny fihavanana, firaisankina
Dia ny fitiavana izay tsy ariana.

Hajao ny faneva hisandratra hatrany
Dia ilay loko telo no hameno ny tany.
Ka ny fandrosoana hitombo eny ihany
Fa ny fialonana hahetry @ tany.

*01041015A7D
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
921 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 03/07/2016 14:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014