Fiainako1 (Fano)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny masoandro
Avy antsinanana
Tanam-polo ihany
Fa ny harena tsy mba manana


Indraindray mba mibaliaka
Ka azo eritreritra h@ any am-pita
Mba ravo,faly ihany
Kanefa toa miserana izany

Toa sembanan- drahona
Ny fiainako eto an-tany
Indrisy,...Indrisy
Mbola nitomany ihany

Irony an'ny hafa toa mibaliaka lalandava
Ny ahy kosa ity toa mitondri-dava
Tsisy tanana handrangotra fa toa bibilava
Ho foana anefa izany ka ho miramiran-tava

Mbola manantena
Fa ho avy indray andro any
Mbola hifanena
@ Ilay mpanafaka tomany

Ho lasa ny toloko
Ka ho faly koa ny foko
Fa tonga ilay Ray
Ka nanafaka ahy indray

Ho ravo izany saiko
Ho tretrika ny fo
Fa lasa'lay fahoriana
Izay nampitanondri- doha

*01090415A3B
--------
Rohy:
828 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fano
Nampiditra : famoha
Daty : 08/07/2016 15:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111