You are here: home > Vetso

VELA-PANDRIKA - Fano

Azo vakiana?

Feno fitaka ny tany
Eo an-tanan'ilay ratsy
Manao ny vela-pandrika
Mifono volamena

Tsy mikatsaka ny soa
Fa ny hampahonena
Hampisaraka ahy koa
@'Lay Mpamorona ny Edena

Dia nisarika ahy koa
Hanatona ny fandrika
Saika lasany ny saiko
Notarihiny ny foko

Fetsy mantsy izy,
Mitady namana hanampy
Voafingana aho anefa
Dia nandinika tsy hiantefa

Soa fa tonga Ilay Mahery
Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka
Ka nanome ny hery
Nandreseko ilay satana

Dia avotra ny saiko
Voavonjy ny fanahy
Dia izany no hiderako
Hoe:"Misaotra Anao ry Ray"
*01140615A6B

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fano


Nampiditra : famoha
Daty : 11/08/2016
Mpamangy : 518
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIRINDRA
TENIKO
KANTO MITARAINA
ANGAMBA
FA NY FOKO
DIA
VENTSO AN-TANY KARAKAINA
VONINKAZO
TENINDRENY
HARENA2