You are here: home > Vetso

FANTATRO... NEFA... - Fidy Art Niaina

Azo vakiana?

Fantaro hatrizay
Fa tia ahy iano
Miezaka ny hisarika ahy
Amin'izato fihetsikao

Nefa aoka tsy ho tsiniko
Ny handà izany
Tiako ianao mba hofihiniko
Nefa aoka ihany

Fantatro ny alahelo
Ao am-po mandratra anao
Tsy hanin-droa tsy hanin-telo
Fa hotiaviko ihany ianao

Nefa aoka tsy ho tsiniko
Ny hanada izany
Fa raha fitia fitaka no vimbiniko
Dia hiafara amin'ny tomany

Fidy Art Niaina

Hametraka hevitra

Midira aloha