Mbola hisy fiovana (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola hisy fiovana

Ny ory anie lesy ry zandry malala
Tsy mba havan'ny ireo olona manana
Fa raha mbola manana hery oetina
Miady dia andao hiezaka atrany

Mahantra isika amin'izao fa andao
Hihezaka hitovy am'ireo izay mankahala
Antsika ka rehefa mitovy aminy isika
Dia ndao mba hovaintsika ny fomba fiainany

Satry aoka ho fatany fa kodiaran-tsarety
Ny fiainana ka ny ambony mbola ho lasa
Ambany ka mety ho zakany ve ra toa ka
Izy indray no ambany fa isika iakatra ambony

Moa ve afaka miatrano tsara ianareo raha toa
Ka tsy misy anay mihosom-potaka lava izao
Moa mahavita miaritra hatsika toa anay ve
Ianareo ra toa ka ampifamandihana ny asa ?

Ambaninareo izahay ataonareo hoe mahatra
Kanefa ny valikasasarana omenareo anay
Tena kely tsy araka ny amafy ny asa ataonay
Tsy ataonay mahakivy anefa izany rehetra izany

Fa ity no tadidio atrany hoe tsy misy asa ratsy
Akotrany hoe mangalatra ny fisasaran'ny hafa
Koa samia ary mananja ny asany fa aza de faly
Ny anambany ny hafa sy ny mpiarabelona aminao

Tsy hoe rehefa mafy ady ianao de tsy ho tafita
Fa ny fikirizanao no mampisodrotra anao
Koa apetao ny sikina de sahia miroso zatsy izy
Fa izay mikiry sy miezaka tsy maintsy tafa

Ataovy antsaina fa tsy azo mora ny fahombiazana
Ny zavatra omena fotsiny tsy anana fananjana
Ka aleo mihezaka mkiry mba hisolavana
Ny atsembo an'ny tena fa tsy sanatry ny an'ny hafa

Manana tanjona goavana
Fa aza mandany andro mitsiriritra ireo tafita
Ataovy ambony ny fisainana de andao hifaninana
Amin'ny zavatra tsara fa tsy oe zatra ratsy

Aza mora kivy izany amin'ny fiainana
Fa sahia manatena an'ilay valim-bavaka
Raha tsy tanteraka androany yo mety ho rampitso
Ra toa tsy azo amin'izay de mety miandry kely

Na mafy ary ny onjan'ny fiainanao anio
Tsy maintsy tafita ianao fa mandrasa atrany
Na iza na iza mikasa hanakana anao
Dia ho sasampoana izay mikasa amingana anao
--------
Rohy:
537 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141