Ianao lay tena namana (Frederic Rnf)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao lay tena namana tsy mba manavakavaka
Na dia fantatrao ary fa mahantra ny tenako
Tsy misy an'iza itarainana sy mba ianteherana
Fa dia miady irery amin'ny ity hamafin'ny fiainana

Ny manodidina mankahala sy mandrora ahy
Fa ianao kosa tsy mba nanao toy reny
Niaro sy nitantana ahy tamin'ny lalana nalehako
Niaritra eso sy latsa ary fanenjehana maro be

Raha sendra narary ny tenako dia indro ianao fa teo
Nitondra teny fampaherezana sy tambitamby
Nikarakara nisahirana nanao izay ahasitrana ahy
Nikely aina nandany vola sy fotoana teo amiko

Misaotra anao aho ry namako tsy foiko
Tamin'ireo soa vitanao tamiko ireo
Maro loatra izy ireo ka mety tsy ho voavaliko
Fa ao lay Andriamanitra hamaly fitia ho anao
--------
Rohy:
81 2
Mpakafy: RIXAM - Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Frederic Rnf
Nampiditra : Rnfrm
Daty : 13/03/2024 15:54
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141