Mahereza ry Sombiniaiko (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahereza ry Sombiniaiko

Ekeko oe mafy laotra ny Onjam-piainana
Izay lalovan-tsika amin'izao fotoana izao
Mihaina fijalina sy fahasahiranana lava
Ra mihinana de zara ra mba misy tapa-tsinay

Lalana voasotra hodiavin-tsika ity ry sombiniaiko
Fa tsy fidiny ho ahy ny mahita anao mipitrapitra
Mijery ny fitafina sy ny fanan'ny manodidina
Tsapako ny alahelo sy ny aditsaina mahazo anao

Kanefa mahereza atrany zany sombiniaiko izany
Fa efa mihezaka mikely ainana fatratra aho
Ny mba hananatsika hoavy mamiratra toha ny hafa
Miala atrano maraina tsy mody ratsy hariva hariva

Nataoko izany mba ho porofo fa tena mitady izay hasoa
Ny fiainatsika aho ry sombinaiko any mba harena eto antanako
Tadidio fa ny fiainana dia Kodiaran-tsarety ny ambony
Mety ho lasa ambany ka manana fanatenana atrany

Ary azomy tsara ireny hanatra izay ataoko anao ireny
Apiaro eny amin'ny toerana izay halehanao,
Ny fahendrena rehetra izay ananao ataovy hoe
Mahay mihonina amin'ny tsy fanana ka tsy mba angalatra
--------
Rohy:
60 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0418