Ndao amboly hazo (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndao re isika iaraka ientana itady zavatsoa
Hikolo ny tontolo manodidina ahy sy ianao
Hanaja sy hitandrina ary anampy ireo voary
Izay napetraky ny Tompo manodidina atsika

Andao amboly hazo mba iarovana ny tany
Mba ho alokalofana refa any aoriana any
Hitsinjovana ny taranaka sy ireo zandry aty apara
De samy mahazo tombotsoa isika amin’izany

Misy fafinaretana aok’izany eny an-tanety
Rehefa olo maro no miaraka mifa potaona
Velona ny pika sary sy ny paozy samy afa
Izany no manambara fa tsara ny voly azo

Rehefa mahita ireo namana mandalo
Ao anaty fiara amonjy morotsiraka
Dia indro miaraka manofaofa Tanana
Miara miredona hoe saoava dih eeee!

Ny fitambarana no tena tsara indrindra
Any mantsy ny misy misy manana trakefa
Ka afahana maka lesona sy faombiazana
Aleo mahavoly ray azo atoka tsara mantsy

Toizay mahavoly maro nefa ho maina vety vety
Aleo manoka fotoana lava hanaovana asa tsara
Fa ny alasafay mitovy ny olona tsy manao
Koa samy mifampitaona ande amboly hazo
--------
Rohy:
69 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014