Tsiky malefaka (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky malefaka

Ny tsikinao malefaka
No mapietana ny foko
Ny endrikao miramirana
Manome erim-batana ahy

Ny fijerinao toa ny ankamatatra
Mitondra ery toin'ny erim-baratra
Izay mivimbina indrom-pitiavana
No mamelombelona ny fanahiko

Ny tsiky malefaka izay ananatsika roa
No atambatra mba anoe filaminana
Sy fiadanatsaina mba haharitra ela
Ny fifan-katiavatsika izay vao novolena

Tsy ho afeniko aminao ny ato am-poko
De ireny fitiavana natolotro ho anao ireny
Mila apianao tosika fa tsy ho efako irery
Mba tsy isin'ny an-kiafina kobonina ao am-po

Ny feonao milatolato tsy afaka atsofiko
No manome hery ahy oetiko miaina
Mihanoka asamba eo anivon'ny fitia
Rehefa eo anilanao iny ry tiko sy tsy foiko
--------
Rohy:
98 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0268