Zavaboary (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy masahy milaza hoe za tsy mila
Na tanora na zaza indrindra ireo Ray aman-dReny
Fa de samy mihanoka fitia eo anivon'ny zavaboary
Mankafia ny natiora sy ny hamamin'ny tany

Ny zavaboary dia singa maro mipetraka
Manodidina ny olombelona mizara fasambarana
Manokatra ny saina sy mamelona ny fanahy
Manala sorisory rehefa reraky ny fiainana iny

Rehefa enao manirery iny ka tsy mahita namana
De makanesa eo andavaky ny vitsika zahao zay ataony
Mba ataovy lesona ny soa izay fanaony
Ny fifanampiny ra toa ka misy zavatra mavetra

Mba renao ve ny feon’ny vorona misiotsioka ao anala
Mandrotsirotsy ny hatim-panahy manafaingana ny dihy
Maporisika antrany na de efa rerak’aokizany
Manome fanantena toa milaza hoe aherezo fa ho tonga

Rehefa taom-pahavaratra dia maintso mavanana ny Tanana
Miara misalahy avokoa ireo voary isan-karazany
Velona toin’ny lamako ny fanantenana ao anaty
Satria miandrandra vokatra tsara amin’ny fotoam-pinjinjana

Ny zavaboary dia manana ny kantony sy ny hanitrany
Fialam-boly tena tsara ho an izay ty sy mikarakara azy
Tsy manavakavak'zay te hiaraka hitakosokosona aminy
Fa mamela ankalahana mihintsy mihandry izay te ho topony.
--------
Rohy:
108 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0433