Zandry a! mila miady ialahy (Frederic Rnf)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reko hoe mijaly hono ialahy dia mihidy an-trano lava
Migogogogo mitomany, milaza fa hoe resin'ny fiainana
Kivy ialahy fa ambanian'ny manodidina foana
Ka tsy manan-tsaina ny hitraka fa mitady hamoy fo

Velom-panontaniana hono ialahy ka mivetso hoe
Mba aiza ihany ary izay mba anjara masoandro
Aiza ihany izay mba azo itokiana eto ambonin-tany
Fa ny manodidina toa mankahala ahy?

Zandry a, kodiaran-tsarety lesy ny fiainana a!
''Tsy ny fahatsapan'ny olona hoe iza ialahy no zava-dehibe
Fa ny fanomezan'ialahy lanja ny tenan'ialahy''
Dia aza mora kivy, aza mamoy fo lesy fa mitrakà hatrany

Tadidio lesy fa ny fiainana tolona sy ady ka ialahy
Tsy mila milavo lefona fa mila manambony moraly
Apetrao ny maha-ialahy an'ialahy fa aza mora resy
Tsy ny fanambanian'ny olona no atao hanimbana ny hoavy.
--------
Rohy:
98 1
Mpakafy: Rnfrm
Hevitra mandeha
ikalamako ( 13/03/2024 09:59)
@frereric o, mba soraty amin'ny teny malagasy madio moa ilay tononkalo e. Very ny mahakanto azy, tsy ho tafita ny hafatra fa vao hamaky ny olona dia kivy. Efa nahitsiko ity satria tena mahakamo koa ny miantsa azy feno diso fa mba kajio tsara re ny manaraka e.
Ilay "elah" kosa tena tsy telina nefa feno ialahy ny tononkalo :P
Rnfrm ( 13/03/2024 14:59)
Salama tompoko, ny fa misaotra betsaka amin ny toro evitra sy ny fanapina
ikalamako ( 13/03/2024 23:08)
am-pitiavana @frereric o
Rnfrm ( 14/03/2024 05:07)
Mankasitraka indrindra o @ikalamako
Frederic no anarako
ikalamako ( 19/03/2024 09:38)
hahaha, ka frereric no nosoratan'ise voalohany dia narahako tamin'iny fa hatramin'ireny ange mila jerena tsara daholo sao misy diso e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075