ATAOVY SARISARY... ATAOVY HIRAHIRA... (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAOVY SARISARY... ATAOVY HIRAHIRA...

Ataovy sarisary
Iarivo malomaloka, ory sy manjombona
Toa manambana hikija ty rahona mandrondrona

Ataovy hirahira
Ny dona fahavaratra, nefa tsy vaky patraka
Mandona koa ny fo hanembona ny lasa...

Ataovy sarisary
Mpanjono very remby
Sasatra aoka’izany, ana sy torovana

Ataovy hirahira
Ny sentony malemy
Hody an-tanàna tsy vary fito venty

Ataovy sarisary
Zana-borona fenjaina eny an-tanan’ny mahery
Tsy afa manoatra amin’izato ela-kely

Ataovy hirahira
Ny kiakany tsy miato
Tsy misy mba manoina na dia sasatry ny miantso

fiandohan-dririnin'Iarivo 2014
--------
Rohy:
1257 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 23/05/2014 10:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144