NAHOANA ? (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no mangina ny hiran-doharano ?
Nahoana no tomany ny vorona mpikalo ?
Nahoana no lao ny toeram-pilasiana ?
Nahona tsy setrina ny vetso nosaikina ?

Nankaiza irony tsiky mirakitra ankamantatra ?
Nankaiza ny embona mifamaly fahavaratra ?
Nankaiza ny topimaso nahodina mazàna ?
Nankaiza ny korana mila ho fanirian-tsy tana ?

Satria tsy maintsy ahemotra ny sandry te hifihina
Satria tsy maintsy ihafiana ny jery tsy niniana
Satria tsy maintsy atapaka ny nofinofy mamy
Satria tsy maintsy ekena ny lalana mankany… !

Ikaloyna
--------
Lien:
Catégorie : embona - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy
771 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 10/07/2014 05:18
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017