NISY ... (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISY

Nisy tahiry ela mbola tsy tiana avela
Nisy diary rimbona toa averina tohizana
Nisy pejy rovitra mbola tiana tsy handositra
Nisy aloka koloina mbola mbola satry hosafoina
Nisy dia efa nifarana mbola mamy hodiavina
Nisy lalana niarahana andosirana sampanana
Nisy tantara vita mbola iria-hiara-mita
Nisy rindrina nikoro mbola kasain-kajoro
Nisy nofy tapaka iainana toa ankamantatra

ikaloyna
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - fiainana
1059 0
Commentaires
nahrindra ( 29/03/2014 18:12)
Misy sento sy tsiahy eto ampamakiana ity soratra
Misy sary sy tsiky mitamberina tsy satry
Misy koa ora sy daty izay tiana mba hiverina
Ary koa tantara iray efa nilaozan'ny tamberina.

Misaotra nanome sehatra ny lasa hiserana kely vetivety
vonynive ( 31/03/2014 06:37)
mirongatra ny tsiahy...
tsy fantatra hoe avy aiza
avelo sa fanahy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 27/03/2014 05:28
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014