ORANA RIRININA 1 (ikaloyna)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORANA RIRININA 1


Ririnina manorana toa mamoha alahelo
ny fotoana niarahana s' ireo tsiambaratelo
ratra ela fa tsy vao fa tsy mety hanakom-pery
vao tohinina dia maharary tsy miery

Orana tsy fahavaratra, reko anefa ny fipatrany
ao an-tafontranokeliko mangozohozo zato tanjany
harafesin ny fotoana, nokikisan ny efa ela
ranon ora-mitete no hany sisa mba tavela

ikaloyna
15/07/14
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - fiainana - Aingam-panahy
835 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ikaloyna
Inséré par : vonynive
Date : 17/07/2014 11:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145