RENY MITOMANY (ikaloyna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka,
Tsy hoe ireo hantahantanao
mba te hanana an'izao
(toa ireo namanao)
kanefa toa tsy ho vitako
no itomaniako
na noho ilay rainao
tsy niadidy anao
... fa noho ireto tompom-pahefana
ambonin'ny lalana
Tsy koa ny ampitsonao
angamba ankilabao
... fa noho ny ho avin'ny taranaka
hodiany tsy ho fantatra
sy ataony kilalao !
ireo no itomaniako
... fa raha ianao ihany
zakako hatrany

Ikaloyna
15/09/14
--------
Rohy:
920 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ikaloyna
Nampiditra : vonynive
Daty : 16/09/2014 05:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139