ASA RAHA MBA FATATRAO (Ilay FANAMBY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa raha mba fatatrao,Nigoaka nanjelanjelatra toa ranofotsy
Ny foko adala, izay maro no tsy mahalala.
Tsy mitony, tsy akory fa miangoty,
Eny, toa miaina ao anaty nofy.
Asa raha mba fantatrao, aky ry malala.
Ny hetsiky ny fo manindry eto entoana,
Toa manasazy ahy hisento lava.
Taram-pitia tsy ho lefy manoloana,
No mandravaka ny foko mba hiaza.
Sarotra ny fitia mihaza ny tsy "tendry",
Mafy rehefa lavom-pitia tsy "anjara".
Marary ny fo, iza kay no nanendry?
Sa ve "niriana" ka sanatria ho tantara?
Moa ve mba fantatrao, ry tiako,
Ny ao anatiko ao?
Samboaravoaram-pitia makadiry,
Mitady fitiavana, endrey mifatratra aminao, rahavako.
Asa na mba fantatrao izany,
Fa ny amiko dia miankina tanteraka.
Raha mbola misy ho ahy re ny any,
Aoka izay ny fandavana sy ny valan-dresaka.
Tena rotika anie aho e!
Tena tia anao. Azafady, mba "hazao".
Alaharo mba hanendry, na dia tsy sitraky ny "tendry",
Safidio mba ho laharana, na dia mitakila amin'ny "anjara".
(Ilay FANAMBY,Asa raha mba fatatrao,sept 2022)
--------
Rohy:
