You are here: home > Vetso

DIAVOLANA,(embona) - Ilay FANAMBY

Azo vakiana?

Diavolana,

Rehefa diavolana ny alina,toa hitako foana ny tavanao
   -taratin'ny volana mazava eny anelanelan-trano
    -iny ianao mihazakazaka miangola ery manatona:malala Ô tatano

Rehefa diavola de toa hitako zato fijerinao
    -mitopy eny anabakabaka mibanjina ity volana feno manana
    -toa te hiteny enao hoe:malala Ô,raha mba intsika no tonga eny de difotra tateraka lay fahasambarana.

Rehefa diavolana ny alina de toa henoko foana ny teninao
   -manankoanko manao hoe:toy io volana mibaliaka io malalako ny fitiavan-tsika
   -ny ahy moa efa laninao tsianjery lay hoe:fitia mandrakizay tsy ho ritra

Rehefa diavolana ny alina de toa io enao anjaridaina
   -mioty felam-drozifotsy iray sady miantsontso hoe:ô ry volana ô,ento zay ho any aminao
   -zaho moa tsy lavitra loatra fa eo akaiky ihany mijery ity rediredinao fa toa antsoantson' ilay fitia hifandao

(Ilay FANAMBY,DIAVOLANA(embona),septambre 2021)