You are here: home > Vetso

AN-TSIARONAO - KIRIAH

Azo vakiana?

Fa iny SARIKO iny , aoka ho SARY iray :
Anivon-tsary maro ,sarisarin-tsiaro
Hitoetra tsy iniana satria tsy SARY TIANA
Tsy ho SARY hifaliana, na SARY ahasondriana
Fa SARY be kiriana
           SARY tsotr ' izao...

Fa iny SARIKO iny, dia SARY hitantara
TSIAHY tsy dia ilaina , tsy SARY ho lalaina
SARY iray dikaina , tsy hita hohazavaina
Tsy ho azo tantaraina
SARY iray hitafa irony andro lasa
            SARY tsotr ' izao...

SARY ho anao irery, SARY tsy miteny
Mihantona eny ho eny
Anaty TSIARONAO, hitoetra anatinao
SARY hanatsiahy , ilay olona iray
ilay olona iray , ilay olona iray....

      SARY ADALADALA , saingy ....
                  
                                            :  "  SARIKO INY ka vimbino AN-TSIARONAO "

SARY iray manjavozavo........... ( Any an ' eritreritra any)

KIRIAH