You are here: home > Vetso

AOKA HO MELOKA AHO - KIRIAH

Azo vakiana?



Ôh! Ifonako ry foko
Ireo sento sy toloko
'zay zakain'ny sorokao
Ao an'aliko mangina
Fo tsy zatra fijaliana
Tsy nahalala tsy fisiana
Reko sempotry ny ratra
Ady mady zay tsy zaka
Ka injao mijafajafa sy mitady handoaka tratra

Mahereza sombinaiko
Fa ny aingitry ny saiko
No mandidy sy mibaiko
Na dia tena mba lalaiko
Ny hamela anao hitia
Hiaraka hiriaria Amin' ilay tsy sarakao

Eny Ekeko ! : MELOKA AHO

Kiriah

Hevitra mandeha

dano (10/07/2013 05:41:30)

mankasitraka e!!!

kiriah (21/09/2013 10:31:17)

misaotra e!