You are here: home > Vetso

ASA IZAY ILAY ANY... - KIRIAH

Azo vakiana?

Manjombojombon ' eto , asa izay ilay any !!!
Ampitan-dranomasina
ampitan ' itsy vohitra
andafin-dohasaha
ambadikin ' ny hita
lavitry ny misy
takatry ny maso.
Manjombojombon ' eto,  asa izay ilay any.....

Malomalok ' eto , asa izay ilay any !!!
Lavitra hazavàna
lavitra koràna
banga tsikitsiky
banga ilay fitia
mamomamon-tsento
lasam-betsovetso.
Malomalok ' eto , asa izay ilay any....

KIRIAH

Hevitra mandeha

hery (09/10/2012 22:40:45)

Ny aty efa ho avy ny ririnina :-)

kiriah (10/10/2012 03:04:24)

Efa ho avy marina ity ny ririnina !, manjombona be ny andro