RESY??? (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno harivariva anie izany aty foko
heno mitoloko
vongan-dranomaso indray mitaika monja
tsapako manonja

maneso ny fitiavako
mandamaka ny vatako
mandoro izato tratrako
mafy toa tsy ho zakako

lavo antanin ' ady ilay fitiavako omaly
tsy nisy mba nitsetra
ny hiakam-pahavalo zay henoko mifaly
mandroaka ahy hilefa

Dia niondrik ' aho nitsimpon '
ilay nofo mangatsiakan '
ny fitiavako zay resy
mifalia ry ilay mahery o !
eny mifalia !
mifalia vetivety.

F ' ilay avelon ' iny mbola ho avy hanalokaloka
mbola ho avy koa hanangatr ' ilay tsikinao anio
( aza adino tadidio )

KIRIAH
--------
Rohy:
1664 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 14/10/2012 08:13)
Ny alahelonao injany fa tsaroako
mitanjozotra ery, mandona indray ny foko
sy izato vetsovetso sondriana dia sondriana
manara-dia ity tany tojo ny mangina
sy ianao 'zay mitoloko

Ny sentosentonao, ry poeta malahelo,
ny sentonao mandriaka miharo velovelo
manafotra ity haniko tsy mety mba mitony,
manaloka ny lalako izay efa koa mivony
sy toa maneloelo

Ny lanin-kiranao mitovana tomany
moa hanoina kely 'lay TIANA ANY HO ANY
ity valihanao toa kendakendan-tseto
toa tsy hanantso akory ilay malala teto
nihoatra ambadika any

Ny ratranao mihombo, ny fo toa RESY indrindra
hiantso an'iza kosa hiaraka hamindra?
Ny alina eto mantsy ka atorian'ny ngina
ny antilinao koa variana dia variana
anaty filasiana

Tolokonao angamba tsy ho henony akory
ka hisentoany kely ity fonao mahaory
sentonao indrisy! hatretsy ho etsy ihany
ho tankina tsy hisy, na homba AVELO any
hanalokaloka any...

Onena anao ny foko anefa ho aiza moa?
te hiombona aoka izany ny sentoko mifoha,
E, mamolivoly foana, volivoly sady vahotra
Te hamboraka aminao ny ao am-poko fa matahotra
'lay avelony hanangatra...

Ry poeta malahelo, oroka ankiray
omeko anao izany, anao mangaihay
sao mba ho fanafana izato ratranao,
FANATITRA TSY LEFY, AVY AO ANATIKO AO
ATOLOTRO HO ANAO...!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142