ILAY VOHITRY NY FITIAVANA (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ampy fefy, rava manda
ilay vohitra fitia ,
ratsy tefy fa kinanga
niakaran ' ny amboadia.

Fonfon-dresy no manento
hatr ' ery amoron-kady ,
eny indreny sombin-tsento
no namoha vavahady.

Babangoana ny kijàna
akom-peo sisa heno ,
mamolaly izay zahàna
ka ny fo no fenofeno.

Tetsy mantsy nisangiana !
natao tsy hifarana tokoa ,
tetsy koa nitosiana,
zao ka feno ambiroa....

Eny hoy aho ry vohi-tsara !
vohi-kanto fahizay ,
misalo-tsalotra tantara
toa mibikan-drangolahy.
--------
Rohy:
1401 1
Mpakafy: lolash
Hevitra mandeha
arialy ( 05/06/2012 16:18)
simba ilay vohi-tsara é !! indrisy
godfrey ( 06/06/2012 08:28)
....
Miarantsoa ( 09/06/2012 10:52)
NY LALANA MANKANY (@LAY VOHITRY NY FITIAVANA)


Akaikikaiky ihany
Ny lalana mankany
Fa lavitra ho ahy
Raha toa aho
Ka hanivaka ny fahasiahanao

Diaviko isan'andro
'Lay hoe fonenanao
Fa tsisy fiviliana e!
Tsy misy lalambe
Na lalankely akory;

Ny olona mpitrebona
An-danitra vilory
No afaka mankao.

Fa izaho...Lay tsy tianao!

Olon-tsisy tsiny
No ataonao ho fikatsaka.
'Lay hoe anjely latsaka.
hery ( 11/06/2012 06:36)
Ataovy mafy ny fefy dia miantsoa mpiambina fa aza avela ho ravarava
kiriah ( 11/06/2012 11:34)
ka efa hoe lanin ' ny amboadia hatramin ' ny mpiambina fa ianao ngha nahoana ! , lol!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156