LAZAO AZY (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ry rano mikoriana
ilazao lay olon-tiana
any ambadika any ho any
fa ny foko mitomany
mitanisa ireo lasa
novonoina sy voafafa
ary koa manatsiahy
izay vita hatrizay

Ianao ry rahona mpandalo
izao no ventsoko sy kalo
lazao azy ambangovangony
ilay fitia tamin ny androny
aza avela ho adinony
lazao koa mba hofihininy
ilay fitiavana taloha
nampiray anay roa

Ianao ry NOFY izay mpitsidika
tiako koa raha mba hikitika
ilay torimasony madio
fenoy ahy sy mba vangio
aza avela mihitsy hatory
fa fenoy sorisory
fa amin izay fotoana izay
no mety ahatsiarovany ahy

Ianao FITIA mpanadala
any mantsy ilay malala
aza avela ahita hafa
fa tereo mba hitràka
hitady ahy sy ilay fitiavako
ka ny fony hiantsapazako
izy hamafa reo tomaniko
meteza ianao re mba hohindramiko

Ory loatra izany foko
feno sento sy toloko
ka raha mety izao dia izao
mandalova any ianao
aza misy hadinonao,zany fiangaviako izany
fa ny foko anie ry nao, reraky ny mitomany

KIRIAH
--------
Rohy:
2287 3
Mpakafy: lolash - kiriah - finih
Hevitra mandeha
fanoandria ( 28/09/2010 08:27)
ny lasa hono tsy mba fanadino,
ny ferin'ny omaly, tako-pery tsy hety ho maina, maharary raha voatohina
kanefa, ny faharesena omaly zary ainga, tanjaka hoenti-miady ka dia ho mpandresy indray anio.
Mahereza
katiaa ( 03/10/2010 07:56)
ianao FITIA mpanadala
any mantsy ilay malala
aza avela ahita hafa
fa tereo mba hitràka
hitady ahy sy ilay fitiavako
ka ny fony hiantsapazako
izy hamafa reo tomaniko
meteza ianao mba hohindramiko

kayy mandarah mihitsy ny fo mamaky ny tononkalonao. Misaotra :-)
papoosy ( 07/01/2011 00:46)
waow tena manana talnta ianao
lolash ( 25/02/2011 12:12)
ho hafarako /NY RANO, sy ny RAHONA , ary ny NOFY , sy ny FITIA e! , ho hafarako izy reo mba tsy hanadino ny hafatrao !
finih ( 10/02/2012 06:07)
tsara be !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155