You are here: home > Vetso

-MBOLA GASY VE ? - KIRIAH

Azo vakiana?

tonga hono avy any ivelany, ka nisehoseho fatratra
toa namony izany felany,tsara fihaingo tonga lafatra.
dia nataonao tsinotsinona,ireo namana taloha
ka ny loha notsintsinina ,tsy niteny gasy koa

natosikao reo fomban-drazana,nolazaina ho dila taona.
moa feno fahombiazana ,ka niova toetra sy himaona ?
nidera ireo fanao vahiny, niventso izany ho fandrosoana
ny soa toavina fahiny, ...nosehinao sy nolotoana.

nilaza koa ny tsy tamàna ,fa manembona te hody
zany ve tsy fahadalàna, mila tsabo ,mila ody ?
GASIKARA ilay anao, natosikao sy nihafihafy
f efa maika tsotr izao,hody aiza ? any ANDAFY.

niova lamatra tokoa , niova toetra sy fanao
ka ny vary aza moa,tsy zakan ny vavoninao
haitraitra ,fisehoana,... reha-dava, jejojejo
zany no andani-mpotoana,resy ianao ka tonga andevo

       KIRIAH

Hevitra mandeha

tslem (23/09/2010 09:47:17)

chapeau !!!

Tsiroa (16/10/2012 01:56:12)

wow. tsara ity ray ity an!!!

soamaeva (23/10/2012 12:35:50)

Sahaza tsara an'ireo tsy te-ho gasy refa tonga any antanindrazana, Tena manja e!

kiriah (23/10/2012 12:43:39)

Hihihihi! , sao vonoin ' olona eto aho fa lazainy ho mahay vava , misaotra e!

Hametraka hevitra

Midira aloha