RAHAMPITSO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rahampitso dia hanainga sy handao iny olona iny,
rahampitso dia ho maina.. lay nandravina fahiny,
rahampitso dia tsy ho tazako ilay nameno fifaliana,
ka ho lavitra ny tavako ...ilay "nisarin' olon-tiana".

Rahampitso aho dia hitomany ,ho feno sento feno tsetra,
zaho koa mba te ho any, hanaradia tsy misy fetra,
rahampitso dia ho fantatro... izany atao hoe : MANIN-TIANA,
ny foko ho henoko sy tsapako... fa ahantra loatra sy hangina.

Tandremo kely ange rahavako, ndrao mivadi-panekena,
adaladala ity fitiavako... misisi-dava , manantena.
tsy ho andry zay fotoana , hiverenanao indray,
ry olona iny mandram-pihaona,soava dia re ry lahy .

KIRIAH
--------
Rohy:
1615 2
Hevitra mandeha
hery ( 11/10/2010 13:25)
Tandremo ihany fa lavitry ny maso hono lavitry ny fo
pisokelinah ( 11/10/2010 13:47)
na lavitra aza akaikin'ny fo ko ane e!tadidio fa refa tena tia na tsy mihaona aza otran'ny mifanena foana
kiriah ( 08/08/2011 21:42)
Alarobia tsy niverina e !
raozigasy ( 08/08/2011 22:52)
HANDEHA IZY

Misy alahelo tsy mivoaka ato anaty foko lalina
Misy hetsi-po tsy tafaloatra, tsy ahitako tory ny alina
Misy habangana, iray tsy zaka, mibahana ny ao anatiko,
Misy troatram-pery iray maratra, maharary ka tsy tantiko,

Misy zioga tsy hay zaraina, manembatsembana ny fiainako,
Misy vesatra taraina, mampihorohoro ny fisainako,
Misy vaingan-dranomaso, tsy mety hitsonika ho rano,
Misy jaly izay mikiky, ny fanahiko manganohano

Misy ireo rehetra ireo , izay tsy tohako, tsy zaka
Misy olana aho zareo, ka lasa sarotra mitraka,
Misy adin-tsaina sy fanahy, mampalemy ny eritreritro
Misy olam-be mianjady, ka mampangoly koa ny heriko

. . .

Handeha izy, fa tsy maintsy , noho ny antony manokana,
Handao ahy sy ilay izahay, na dia efa nety ilay “ nitokana ”
Handeha izy, tsy afa-mihemotra, efa nifanarahinay,
Handeha izy, handeha izy, izay no mety aminay

. . .

ny fisarahanay toerana, tsy setrasetran’ny ankaso
na hasomparan’ny tsy tia, na vitan-dratsy nampikatso
na fisintahana sendoatra, na adiady tafahoatra,
na valifatim-pamitahana, na sangy ratsy lasa loatra

. . .

fa lalana tsy maintsy diavina, sedra tsy maintsy koa lalovana
ka raha kivy moa fa olona, sy mora reraka torovana,
dia miandrandra hatrany ny Avo, hitantana ny lalany any
sy hankahery ahy aty ; fa lalam-piainana izany

. . .
SIOKATOKANA ( 09/08/2011 05:36)
Ny lala tokana hizory dia ny fahatokisanao azy
Ny ahiahy koa fongory tsy hanjaka hamazivazy
Ampanjakao ao am-po ilay fitiavana mahery
Ka ny tsara sy ny soa no hanjohy anao manirery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015